Nametraka fepetra ho an’ireo teratany vahiny miasa ao amin’ny Nosy Maorisy indrindra fa ny orinasa ny Masoivoho Malagasy any an-toerana
manoloana ny toe-draharaha ara-pahasalamana sy ara-toekarena, araka ny taratasy Nosoniavin’ny Ambasadaoro Albert Camille Vital omaly 16 novambra. Ny « recrutement » ny mpiasa ao amin’ny Nosy Maorisy dia manaraka fepetra mazava ary ny « contrat de travail » dia tokony mandalo ny Minisitera ny asa Maorisianina sy ny Masoivoho ao Maorisy. Tsy ny orinasa Maorisianina rehetra koa fa afaka mampiasa teratany vahiny ao aminy. Noho izany dia nanentana ny tsirairay mba ho malina amin’izay tolotr’asa misy ny Masoivoho Malagasy any an-toerana. Mikasika ny “transefert” kosa dia fifanarana eo amin’ny orinasa roa tonta ary tsy maintsy mahazo fankatoavan’ny Minisiteran’ny asa Maorisianina. Tokony handalo “agent de recrutement” satria maimamaimpoana ny fifindrana. Ny orinasa vaovao mandray no manefa ny saran’ny taratasy rehetra ilaina amin’izany, hoy ny toromarika. Raha misy kosa ny fahataperan’ny “contrat de travail” na ny faharavan’izany kanefa tsy afaka manao ny fifindrana amin’ny orinasa hafa, dia aoka ny tsirairay mba hanaja ny fepetra rehetra amin’ny fampodiana any Madagasikara, hoy ny fanamarihana. Notsiahivina fa voarara ny mipetraka na miasa ao Maorisy tsy misy taratasy ara-dalàna, ary mahavoasazy (tsy fahafahana miverina ao amin’ity Nosy ity na fandoavana lamandy hatramin’ny Rs 50 000 na fidirana m-ponja hatramin’ny 2 taona. Afaka manantona ny Masoivohon’Ii Madagasikara any Floreal na mandefa mailaka amin’ny consulat@ambamadmaurice.org na miantso ny 686 50 15 izay mila fanampim-panazavana, hoy ny toromarika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.