Chocolaterie Robert, mpamokatra sôkôlà tsy zoviana amin’ny maro.
Iray amin’ireo orinasa mandray anjara amin’ny hetsika « Salon des Industries de Madagascar » atao eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, ny 11 hatramin’ny 14 septambra izao ny orinasa « Chocolaterie Robert ».
Tsy zoviana amin’ny maro amin’ny famokarana sokôlà sy vokatra vita amin’ny kakao. Hatreto dia azo lazaina fa izy irery ihany no hany orinasa Malagasy misehatra amin’ny fanamboarana ity vokotra ity eto amintsika ary manana tsiro tsy manam-paharoa ny sôkolà vokariny, ary tsy azon’ny avy any ivelany songonana hatreto. Avy eto Madagasikara avokoa ireo akora fototra ampiasain’izy ireo amin’izany, ka tsy mampiasa fangaro vahiny hafa izy ireo. Araka izany, mba ho fampafantarana bebe kokoa ny vokatra ao aminy dia handray anjara amin’ilay hetsika fampiroboroboana ny vokatra vita Malagasy ny Chocolaterie Robert mandritra ny SIM, no sady hampahafantatra amin’ireo mpitsidika ny tsiron’izany sôkôlà vita malagasy izany. Tsy diso anjara, noho izany ireo hitsidika ny tranohevan’izy ireo satria ho hita ao avokoa ny vokatra rehetra mampalaza ity orinasa ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.