Orinasa JIRAMA

Tsy misy mpifaninana, afaka manao izay sanda tiany, bokan-trosa…


  • Alatsinainy 14 Jolay 2025

Ny taona 2017 dia voalaza fa nitentina 85 miliara Ariary ny fantiantoky ny orinasa JIRAMA

na Jiro sy rano malagasy. Nidangana ho 314 miliara Ariary izany ny 2018. 472 miliara ny 2019. Mba tafidina kely 294 miliara indray ny 2020. Nony tonga nefa ny 2022 dia tafakatra 666 Miliara Ariary be izao. Raha atotaly izany izay rehetra izay na koa hoe atao ny kajikajy tsotsotra dia nitrosàna 3.353 miliara Ariary tao anatin’ny 5 taona ity orinasa hany sisa lazaina fa an’ny fanjakàna malagasy ity. Bokan-trosa nefa orinasa lazaina fa ao anatin'ny filan'ny maro.Tsy misy mpifaninana. Afaka mametraka sanda arak’izay tiany ho an’ireo mpanjifa kanefa orinasa mpanome tolotra tsy mahafa-po indrindra eto Madagasikara koa amin’izao fotoana izao. Gaga ny rehetra ankehitriny fa orinasa toy izany no io miha banky ropitra sy mitsipozipozy io. Raha ireo tarehimarika ireo no jerena dia isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe taiza ho aiza tao anatin’izany rehetra izany ilay nolazain’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hoe ady nataony sy ny fitondràny hanavotàna ity orinasa ity? Tena niady mafy ho an’ity orinasa ity tokoa ve ny fitondràna Rajoelina sa vao mainka nampidi-kizo sy nampibaby trosa miavosa ho azy? Inona indray izany no azon’ny filoham-pirenena hampanatenaina ireo mpiasa ireo? Inona amin’ireo tsy fahombiazana efa notantaraina, raha tsy hilaza ankoatran’ireo voalaza teo fotsiny, no ahitany fahagagana entina hanarenana? Hiteny indray ve ny filoham-pirenena fa tsy hivoaka ao amin’ny JIRAMA ao raha tsy misy ny vahaolana? Mbola tsy voaresaka akory aza ao anatin’izany ny mikasika ireo orinasa mpamatsy solika sy famatsiana herinaratra na «groupe électrogène» ao anatin’izany rehetra izany. Iza ireo mpandraharaha mahazo tsena ao anatin’izany? Toy izany koa ny mikasika ireo fitaovam-pitaterana miasa ao anatin’izany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT