Actualités

Orinasa Jirama Miverina manamboatra andrin-jiro vita « béton »


  • Zoma 11 Septambra 2020

Miverina amin'ny teknisian'ny JIRAMA ny fanamboarana andrin-jiro vita amin'ny rafi-batomikarana na "béton",

 

 nanomboka omaly alakamisy 10 septambra. Raha tsiahivina kely dia orinasa tsy miankina iray no nisahana izany teo aloha, nandritra ny fotoana vitsy. Ankehitriny kosa niova tanteraka izany ka mpiasa miisa 13 eo anivon’ny JIRAMA no manodina indray ity ozinina fanamboarana andrin-jiro vita amin'ny rafi-batomikarana ity, eny Mandoseza. Tanjon'izy ireo ny hahavita andrin-jiro 8 ka hatramin'ny 10 isan'andro. Ny mba hahafahana manafaingana ny fanatanterahana ny asa fampidiran-jiro eto amintsika moa no anisan’ny antony nanokafana indray ity ozinina ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT