ORINASA JIRAMA

Mandatsaka orana artifisialy indray


  • Alarobia 04 Septambra 2024

Hiroso amin’ny fandatsahana orana artifisialy indray ny orinasa JIRAMA amin’ity herinandro ity.

Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy mitsaha-mihena ny tahirin-drano ao Andekaleka ka tsy mahasahana ny filan’ny herinaratra ilain’ny mponina eto amin’ny tambajotran’Antananarivo intsony. Ho afaka hisitraka izany orana artifisialy izany ihany koa ny ao Tsiazompaniry hahafahana mameno ny vokatra amin’ny ora mampitombo ny filana toy ny amin’ny hariva sy maraina. Voatery manapaka ny jiro ora iray isaky ny faritra isan’andro moa ny orinasa JIRAMA amin’izao vokatr’izay tsy fahampian’ny rano hahafahana mamatsy herinaratra eto amin’ny tambazotran’Antananarivo izay. Tsiahivina moa fa na ampy ny rano na tsia dia efa zary fiainan’ny mponina eto Antananarivo ny delestazy ka tokony hitadiavana vahaolana maharitra mihitsy.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT