Actualités

Orinasa JIRAMA Hanesorana 1037 ny isan'ny mpiasa


  • Alatsinainy 23 Jona 2025

Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.

Noraisina ny fanapahan-kevitra hampihena ny isan'ny mpiasa koa raha toa ka 4542 izany ny faran'ny taona 2024 dia ho lasa 3505 any amin'ny 2029 any. Mpiasa 1037 no esorina. Ny 70% n'io dia hiasa amin'ny sehatra tekinika madiodio ary ny 30% no hiasa anaty birao amin'ny fikirakirana ny antontan-kevitra sy ny maro hafa. Misy fiovana izany raha oharina tamin'ny zava-nisy ny taona 2024 satria 2174 no niasa teo amin'ny lafiny tekinika ary 2923 teo amin'ny sehatry ny fitantanana sy ny asam-birao. Ny mpiasam-birao indray izany no maro an'isa noho ny teknisiana raha io tarehimarika izay no anton'izao firosoana amin'ny fanitsiana ara-drafitra izao.
TSY MILAMINA NY FITANTANANA E !
Mazava ny resaka eto fa maro ny zavatra tsy nandeha arak'izay laoniny tao amin'ny Jiro sy Rano Malagasy (Jirama) tao hany ka mihisatra be ny famahana olana. Be mpitantana, be sefo, be tale loatra kanefa ny fahavoazana mitombo isan-taona. Izay eo ihany fa ny tena andrasan'ny maro dia ny hoe ahoana marina no hatao momba ity olan'ny angovo eto Madagasikara ity; tsy hoe famahana ny olan'ny delestazy ihany no tena maika fa tena resaka angovo mihitsy. Raha atao mantsy hoe indro fa mirehatra tsara ny jiro, ho an'ireo mpanjifa misy amin'izao fotoana dia mba ahoana kosa ny momba ireo tokantrano, tanàna, kaominina, orinasa mbola mikasa ny hampiditra herinaratra ao aminy mba ahafahany miaina sy miasa ? Rahoviana no ho ampy ary avy eo hisy ambim-bava ny angiovo vokarina eto ? Ny fomba fitantanana, ny fanaraha-maso hentitra hisorohana ny gaboraraka tahaka ny hoe fiarabe mitondra solika manjavona tampoka, fitaovana misy mangalatra. Ny mety ho fandanindaniam-poana amin'ny resaka fividianana na fanofana fiara kanefa tsy hita izay tena tamberin'andraikitra. Manao fampiasam-bola kanefa miditra fatiantoka isan'andro. Tena mila fanatsarana goavam-be e !

Mandra-piandry izany dia mbola mitohy ihany aloha ny delestazi -jiro sy fahatapahan'ny rano na dia efa mba nisy fihenana kely aza ny faharetany. Mbola tsy mivaha ny olana ary tena misy voka-dratsy amin'ny fiainan'ny isan-tokantrano sy ny asa.
RTT
(Sary fanehoana)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT