Actualités

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Nianga omaly tao Toamasina ireo vazaha mpiasan'Ambatovy. Fiaramanidina miisa telo an’ny Tsaradia, rantsan’ny kaompania Air Madagascar no naka azy ireo tao Ambalamanasa nihazo an’Antananarivo, avy eo mandray ny sidina manokana mankany ivelany.

 

 

 

 Ny roa tamin’ny maraina, iray ny atoandro ho an’ireo naka olona tany Toamasina. Mpandeha miisa 94 isaky ny sidina izy ireo, nombam-bady aman-janaka hatramin’ny omaly maraina. Mahatratra 850 ny mpiasa teratany vahiny avy amin’ny firenena 39 no handao an’i Madagasikara. Midika io fa tena marary Ambatovy izay isan’ny iankinan’ny toekarena Malagasy. Mahatratra 8 miliara dolara ny fampiasam-bolan’io orinasa mitrandraka nikela sy kobalta io, ary izy no isan’ny manana toerana lehibe amin’ny lanjam-bola Malagasy eo anatrehan’ny vola vahiny, izay izy no isan’ny mampiditra izany betsaka eto. Milaza ny orinasa fa fampodiana vonjimaika ihany izao atao izao, fa hiverina ny famokarana ataon’Ambatovy rehefa miverina amin’ny laoniny fiainam-pirenena. Nanomboka ny 14 aprily ity orinasa ity no nikatso noho ny fanarahana lamina ara-pahasalamana. Ny 18 mey no nisian’ilay mpiasa teratany vahiny namoy ny ainy noho ny coronavirus. 150 ireo mpiasa miantsoroka ny “service minimum” ao anatin’ny orinasa, raha ny fanazavana efa nentin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Fidinarivo Ravokatra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT