Taorian’Antananarivo tsy ela izay, dia eo am-panomanana varavarana misokatra tahaka ny nataony tao amin’ny garan’i Soarano ao Toamasina ihany koa ny orinasa Ambatovy. Eo am-panomanana izany ny ao Toamasina ankehitriny
ka ny lohahevitra noraisina amin’izany dia ny hoe “ny nikela, vokatra voalohany fanondrana eto Madagasikara”. Misy fiavahany ny hetsika varavarana misokatra hatao ao Toamasina ity amin’ny i Toamasina no misy ny orinasa mpamokatra ny nikela sy kobalta ary fanondranana izany ho any ivelany. Ny tanjona anefa dia mitovy tamin’ny hetsika teto Antananarivo ihany, dia ny famaliana ny hetahetan’ny vahoaka Malagasy momba ny orinasa, fampahalalana ny andraikitr’Ambatovy amin’ny maha mpiara-monina amin’ny Malagasy, ary fanamarihana fa tsy hafa na miavaka izy ireo fa mpiara-miombona antoka amin’ny Malagasy eo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.