Orange Madagascar sy JCI

Nanamafy fiaraha-miasa


  • Talata 25 Jona 2024

Tontosa, raha ny fampitam-baovao voaray omaly, ny fanasoniavana ny fifanaraham-piaraha-miasa

vaovao eo amin’ny Orange Madagascar sy ny JCI na Jeune chambre internationale. Fifanaraham-piaraha-miasa izay mifototra amin’ny fampandrosoana ny tanora malagasy izy io, hoy ny fanazavana. Maherin’ny 20 taona izao no nitondran’izany Orange Madagascar izany fanohanana hatrany teo amin’ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny JCI teto Madagasikara. Teo koa ireo tetikasa maro izay tsy nitondra afa-tsy fahombiazana hatreto. Tsiahivina fa tambazotra ivondronana tanora 18 hatramin’ny 40 taona ny JCI. Toerana maherin’ny 5000 isa amina firenena 115 no misy azy. Ho an’ny eto Madagasikara kosa dia rafitra miisa 15 amina tanàn-dehibe miisa 11 no iasan’ireo mpikambana 350 ao anatiny. Ny fanomezana sehatra ny tanora eo amin’ny lafiny haitarika sy ny fivelarana ara-pihariana maro moa no tena imasoin’izany, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT