Ankizy sy tanora miisa valo, mendrina indrindra nandray anjara tamin’ilay vakansy nomerika nokarakarain’ny Ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar omaly no notolorana loka, ankizy tafiditra tao anatin’ilay fifaninana top 10 “Bots for messenger Challenge”.
Naharitra dimy herinandro ity fampialana voly ankizy tamin’ny alalan’ny fikirakirana solosaina maimaim-poana ity ka anisan’ny nampianarana azy ireo tamin’izany ny fanamboarana site web, ny fananganana bots messenger, ny fomba fampidirana ireo karazana jeux anaty finday… Ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar moa no nanolotra ny loka tamin’izany, notronin’ny Facebook izay angady nanana sy vy nahitana ny fifaninana. An-jatony maro kosa ireo ankizy nandray anjara tamin’ity vakansy nomerika ity, raha tsiahivina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.