Mpirahalahy mianala manomboka izao ny Orange Madagascar sy ny Bank Of Africa Madagascar
Vita omaly teny Analakely mantsy ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ireto orinasa roa mikatsaka hatrany ny tombontsoan’ireo mpanjifa an-tapitrisany manerana an’i Madagasikara. Anton’ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny an-daniny sy an-kilany ny fanomezana fahafaham-po amin’ny lafiny fifanakalozana ara-barotra ho an’ireo mpanjifa ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy ny fikirakirana ara-bola. Ankoatra ny fihenam-bidy mandritra ny fikirakirana ireo karazana fifanakalozana marobe ataon’ny mpanjifan’ireo orinasa roa mpiara-miombon’antoka ireo dia tsy ho sahirana ary tsy voatery handeha lavitra intsony ireo sokajin’olona mampiasa ireo tolotra vokarin’ireto orinasam-pifandraisan-davitra sy ny orinasa fitehirizam-bola hita manerana ny nosy ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.