Orana nisesy

Rano miakatra, tamboho nirodana…


  • Alarobia 19 Febroary 2025

Omaly hariva, tokony tany amin’ny 6 ora sasany tany ho any, no nisy

tamboho nirodana ary manapa-dalana teny amin’ny lalana ifandraisan’Ambatomaro sy Antsobolo, raha ny fampitam-baovao voaray. Ankoatran’ny teto Antananarivo dia niakatra koa ny rano ho an’ireo toerana hafa eto amin’ny faritra Analamanga toa an’iny kaominin’i Sabotsy Namehana sy ny manodidina iny. Raha ny hita hatramin’izao aloha izany dia mbola tsy mitsaha-miakatra ny rano manoloana ity orana nisesy teto Analamanga ity. Mbola ahiana ihany koa ny mety hitrangan’ny fiotsahan’ireo fotodrafitrasa somary efa tranainy samihafa ka heverina ny tokony hisian’ny fitandremana mikasika ireo ankizy sy mpianatra. Mbola nanamafy ihany koa tetsy ankilany ny teo anivon’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy tandindon-doza na BNGRC ny amin’ny tokony hifindràn’ireo mponina eny amin’ny faritra iva amina faritra avo, raha ny angom-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT