Orana mikija sy rano miakatra

5 maty, 3 564 traboina


  • Zoma 16 Febroary 2024

Mitombo ny fiantraikan’ny ora-mikija amin’ny faritra maro eto Madagasikara.

Araka ny tatitry ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza omaly tolakandro, miisa 5 ny namoy ny ainy, ka ny iray tranga vaovao tany Benenitra izay nisian’ilay fahafatesan’olona 11 sy nanjavonana olona maro vokatry ny rano trambo vao andro vitsy izay. Nisy kosa ny tranga 2 avy teto Antananarivo sy tany Mandoto, izay namoizana ain’olona roa avy. Tafakatra 3 564 ny traboina, izay avy amin’ny fianankaviana 1 362 eo nanerana ny nosy. Ny 305 amin’ireo no nafindra toerana, ka ny 235 tany Toamasina avokoa. Mahatratra 1 206 ihany koa ny toeram-ponenana dibo-drano, ka 6 no rava. 25 ny efitranon-tsekoly nisy fahasimbana, 41 ny rava tamin’ny ampahany, ary 40 rava tanteraka.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT