Orana mateti-piavy

Manomboka dibo-drano ny faritra iva


  • Alarobia 18 Oktobra 2023

Manomboka avy tsikelikely ny ranon’orana eto an-drenivohitra.

Ny faran’ny herinandro teo monja no tsy nisy izany fa afak’omaly Alatsinainy sy omaly Talata dia nisy hatrany izany, raha toraka izay ihany koa ny tamin’ny Zoma lasa teo, fotoana nanombohan’ny ranon’orana. Manomboka miakatra sahady ny rano eny ambany tanana vokatr’izany. Anisan’ireny ny eny amin’ny 67 ha ambadiky ny JIRAMA, ny eny Namontana, ny eny Andavamamba…Raha araka ny nambaran’ireo mponina eny an-toerana dia tsy mbola nahitan’ny fanjakana vahaolana maharitra mihitsy izy ireo hatreto. Miakatra miaraka amin’ny rano maloto ary tonga hatrany an-tokantrano mihitsy anefa ny diky rehefa tena avy ny orana vokatry ny tsy fananan’ny mponina toeram-pivoahana. Toeram-pivoahana iray rahateo hitambarana fianakaviana tsy latsaky ny folo eny an-toerana ka tena tsy hita taratra intsony izany fahadiovana izany. Manahy mafy ny mety hiparitahan’ny valan’aretina eny amin’ny faritra iva moa ireo mponina raha tsy misy ny fepetra hentitra raisin’ny fitondram-panjakana, indrindra fa izay filoha vaovao vao ho avy eo.
Pati
Legende : Tsy hitan’ny Fitondram-panjakana akory ireo olona dibo-drano lava ety ambany tanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT