ORANA ARTIFISIALY

Nifarana omaly Alahady raha ny vinavina


  • Alatsinainy 25 Novambra 2024

Tsy hisy ranon’orana intsony aloha eto an-drenivohitra sy ny manodidina manomboka

anio alatsinainy 25 novambra raha araka ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Nifarana omaly Alahady 24 Novambra mantsy rehefa naharitra 3 andro ilay orana artifisialy nalefan’izy ireo rehefa nahafeno ny fepetra rehetra nilaina. Nambaran’ny teknisiana Lovandraina Rakotoarisoa fa anisan’ny tanjona ny mba hahafahana manampy tosika ny fiavian’ny ranon’orana tena izy eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Toraka izany ihany koa ny mba hanatevenana ny tahirin-drano sisa misy ao Andekaleka sy hanampiana ny ranon’i Mantasoa. Efa miandrandra ranon’orana tena izy araka izany isika eto an-drenivohitra manomboka amin’ity herinandro vaovao vao miditra ity.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT