Maro ireo traboina vokatry ny ranobe nateraky ny ora-mikija tany Toamasina, raha ny tati-baovao avy any an-toerana.
Manoloana izany indrindra dia nanolotra fanampiana ho azy ireny ny alakamisy teo ireo teratany indianina ao an-toerana. Fianakaviana miisa 200 izay napetraka ao amin'ny Dojo Soavita no nampisitrahana izany, raha ny fanazavana hatrany. Ny fahasahiranana ateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus mbola tsy afaka kanefa dia efa mamely koa izany ny fiakaran’ny rano ao an-toerana. Niara-nanolotra ireo fanomezana moa ny ben’ny tanana ao an-toerana, Nantenaina Rakotonirina, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.