Araka ny tatitra nataon’ny zandarimariam-pirenena teny amin’ny toby Ratsimandrava omaly dia omby 1 038 amin’ny 1 561 no tafaverina any amin’ny tompony, dahalo 89 no maty ary 69 voasambotra nandritra ny « opération coup d’arrêt ».
Misy delegem-panjakana 3 sy sekretera 1 ihany koa voasambotra nandritra ity hetsika ity noho ny firaisan’izy ireo tsikombakomba amin’ny dahalo sy ny fampiasana ny fahefam-panjakana mba hanampiana ny dahalo. Efa eo am-pangoronana ireo fitaovana nampiasaina ny andian-tafika nalefa any atsimo amin’izao fotoana. Fantatra anefa fa hisy ny vatamiaramila mbola hijanona any amin’iny faritra atsimo iny, indrindra fa any Mandoto sy Morafenobe, ka hisafo tanàna sy hitety vohitra mba hisakanana ny fiverenan’ny asan-dahalo tahaka ny nisy teo aloha. Vahaolana fohy ezaka ihany izy ity mandra-piandry ny fanapahan-kevitra tahaka ny fananganana tobin-janaparitry ny zandarimaria na « Poste avancé » any amin’ireo faritra mena amin’ny asan-dahalo. Miaramila 800 lahy no fantatra fa efa vonona indray hanatanteraka ny « Opération coup d’arrêt » manaraka, raha araka ny fanazavana ihany. Marihana fa nisy ihany ny mponina tany amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny no velon-taraina noho ny toetra ratsin’ny miaramila sasany izay misy mandroba tsotra izao ny fananan’olona sy manampatra ny fahefany. Maro ihany koa no mangataka ny hisian’ny fifampiresahana sy fifampidinihana amin’ny mponina any an-toerana mba hikarohana ny vahaolana tena izy fa raha fampiasan-kery sy fifampitifirana fotsiny mantsy no atao isaky ny mihetsika dia tsy azo antoka ny hisian’ny vahaolana tena mety.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.