Noho ny fiarahamiasa eo amin’ny fiadidiana
ny fanavaozana ny repoblika sy ny minisiteran’ny fampianarana ambony ary ny orinasa tsy miankina eto an-toerana dia natolotra omaly talata 4 novambra 2025 teny amin’ny oniversiten’Antananarivo ireo fitaovana famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Andalam-pametrahana ny angovo amin’ny herin’ny masondro amin’ny « Plaques solaires » hamokatra angovo manana tanjaka 1MW ho an’ireo birao sy trano fianarana manerana ireo onivesite 6 eto Madagasikara. Natolotra sy nanaovana fandraisana ofisialy teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo noho izany ny "panneaux solaires" miisa 1092. Ny 804 dia manana tanjaka 590W ary ny 288 kosa manana tanjaka 720W. Misy ihany koa ny fitaovana hafa miaraka aminy toy ny "batterie", "onduleur", "ordinateur portable", "caméra de surveillance" ary "lampadaire". Nandray tamin'ny fomba ofisialy izany ny Filohan'ny Oniversiten'Antananarivo Pr RANDRIANASOLO Rivoarison niaraka tamin’ireo Filohan'ny Fikambanan'ny mpianatra pedagojika sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy. Natao izao mba ahafahan’ny mpianatra sy ny oniversitem-panjakana manohy araka ny tokony ho izy ny fianarana, sy mba hametrahana ny fandriampahalemana ihany koa amin’ny alalan’ireo jiro hanazava ny lalana eny amin’ireo « Cité U ».Hisy ihany koa noho izany ny fametrahana jiro eny amin’ny toerana misy ny trano fonenan’ny mpianatra . Haharitra 2 volana ny asa, izay marihina fa ny herinandro teo no efa nanombokana ny tetikasa teny amin'ny Sekoly ambony Politeknika Vontovorona ary hiara-hianga ny fametrahana ireo fitaovana mpamokatra herinaratra eny anivon'ny oniversite rehetra manerana ny nosy. « Tsy kabary fa asa avy hatrany », hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy nandritra ny fanolorana ireo fitaovana omaly. Nankasitraka ny finiavana entin’ny Fanjakana amin’ny fitondrana vahaolana azo tsapain-tanana manoloana ny olan’ny angovo sy herinaratra, izay isan’ny antony nitoloman’ireo tanora kosa ny Fiadidian’ny Oniversiten’Antananarivo notarihin’ny Pr RANDRIANASOLO Rivoarison, ka naneho fahavonana feno amin’ny fiaraha-miasa hoenti-manatsara ny tontolon’ny fampianarana ambony. Nampahatsiahy moa ny Minisitra fa fananambahoaka ireo fitaovana ireo, ka nentaniny ny tsirairay hitsinjo sy hiaro izany. Nandritra io ihany koa no nanamafisan’ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny fizorana amin’ny fanatsarana ny toeram-ponenan’ny mpianatra, ka efa mandeha ny fifampidinihana amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fomba hoentina manatanteraka ny asa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.