Oniversiten’Antananarivo

Miroso any amin’ny fahaleovantena amin’ny angovo


  • Alakamisy 04 Desambra 2025

Mirona hatrany amin’ny angovo maitso

ny oniversiten’antananarivo, hoy ny fampahafantarana voaray teo anivon’ny fiadidiana ity oniversitem-panjakàna ity omaly. Vina efa napetraka teto anivon’ny Oniversiten’Antananarivo ny hirosoana amin’ny fampiasàna angovo azo havaozina, hoy ny fanazavàna. Efa natomboka teto anivon’ny Fiadidiana ny Oniversite izany tany aloha ho fitsinjovana ny tontolo iainana sy fitsitsiana. Na dia teo aza anefa izany finiavana izany dia tsy mbola nahafahana namaly tanteraka ny filàna ny fotodrafitrasa efa nisy. Manoloana ny olana ateraky ny fahatapahan-jiro matetika izay manelingelina ny fampandehanan-draharaha sy ny fampianarana dia nanapa-kevitra ny hamolavola tetikasa midadasika kokoa ny Oniversite. Miara-mientana tanteraka amin’ny Oniversiten’Antananarivo ankehitriny ny fitondràm-panjakàna, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa na MESUPRES ny amin’ny fanohanana feno ny tetikasa amin'ny famatsiana ireo fitaovana raitra sy arifomba rehetra ilaina. Ity fanampiana ity no ahafahana manitatra ny tetikasa mba hisitrahan'ny sampam-pianarana rehetra izany angovo maitso izany. Fahaleovantena arak’angovo no tanjona. Ny vina lehibe apetraka amin'izao tetikasa izao dia ny hananan'ny Oniversiten'Antananarivo fahaleovantena tanteraka eo amin'ny lafiny angovo na «Autonomie énergétique». Kendrena ny hahafahany miatrika samirery ny filàny, hampihena ny fiankinan-doha ary indrindra mba hisian'ny fitohizan'ny asa sy ny fianarana na dia misy aza ny olana eo amin'ny famatsiana herinaratra. Efa mandeha sy hirosoana fatratra ankehitriny ny fametrahana ireo fitaovana eny anivon’ireo fakiolte sy sekoly ambony ary ny fiadidian’ny oniversite. Ny "Institut pour la Maîtrise de l’Énergie" na IME no miandraikitra ny lafiny tekinika rehetra, manomboka amin'ny fametrahana ka hatramin'ny fikojakojàna, mba hahazoana antoka fa haharitra ny fotodrafitrasa. Ireto avy ireo fitaovana fanampiny natolotry ny fitondram-panjakana; «Panneaux solaires photovoltaïques» na fisintomana angovo amin’ny masoandro maherin’ny 100 isa, izay antoka ho an'ny famokarana, «Onduleurs» 6000W miisa 40 eo ho eo, takamoa na «ampoules» LED 9 - 12 W miisa 1500 ho fitsitsiana ny fanjifàna amin'ireo birao sy efitrano fianarana. «Lampadaires solaires» na andrin-jiro mihary amin’ny masoandro miisa 200 hametraka ny fandriampahalemana manerana ny faritry ny oniversite fa indrindra eny amin'ny faritry ny trano fonenan'ny mpianatra. Dingana lehibe ho an'ny Oniversiten'Antananarivo izao, porofon'ny fivoarana sy ny fitsinjovana ny hoavin'ny tontolon'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT