"Roso 'ty tsa mipody koa !". Izay no azo ilazana ny fanorenana ilay rantsan'ny oniversiten'Antananarivo haorina ao Vakinankaratra.
Eny amin'ny fokontany Tsaratanana, Kaominina Vinaninkarena no hanorenana izany, amina tany manodidina ny 18 ha eo ho eo. Omaly zoma 13 jona no nametrahana ny Tsangambato ho fanamarihana izany sy ny vato fototra hanombohana ny fanaovan-trano. Nambaran'Atoa Andriamasimanana Bertin, Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra fa hisy ny fotodrafitrasa maha "Campus Universitaire" azy ity toerana ity ka any aoriana dia hahaleotena tanteraka izany fa tsy hiankina amin'Antananarivo intsony. Nitondra fanamarihana moa ny Depiote Randrianantenaina José, voafidy tao Antsirabe Faharoa fa tombony ho an'ny Distrika misy azy ity sekoly ambony ity sady fandrisihana an'ireo zanaky ny tantsaha hianatra bebe kokoa. Efa tsy lavitra intsony mantsy ny sekoly ambony hidirana. Eo ihany koa ny fandrosoan'ny toerana manodidina izay hisian'ny fotodrafitrasa ka hiteraka lalampihariana vaovao ho an'ny mponina izany satria tsy maintsy hisy ny fotodrafitrasa fanampiny hifameno amin'izany. Hatreto moa dia tsy mbola nambarany ny totalim-bidin'ny asa rehetra hijoro fa fantatra kosa fa ny lakilasy sy ny birao no hohenjehina faran'ny izay haingana ka mety efa ho azo ampiasaina amin'ny fidirana manaraka no tanjona. Vory lanona tao Antsirabe moa ny fianakaviamben'ny oniversite sy ireo mpianatra efa am-periny nanotrona ireo manampahefana nandritra ny lanonana ka nampiaiky volana ny filohan'ny Oniversiten’Antananarivo, Pr Ramanoelina Panja fa «manana fahavitrihana goavana ireo mpianatra ao Vakinankaratra na amin'ny fianarana na amin'ny
fihetsika».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.