Actualités

Oniversiten’i Toamasina Vita ny fanarenana, tafiditra ny teknolojia


  • Talata 30 Jona 2015

Tratra ny fanamby napetraky ny oniversiten’i Toamasina tamin’ny fanavaozana natao, raha oniversite efa nahiana ho faty no voaarina ankehitriny. Vita avokoa ny « batiments » miisa 07 manana rihana 02 avy, ny « bloc Conaco » miisa 20, ny « batiment R+3 » manana rihana 03, fanamboarana ny tamboho sy ny vavahady, ireo toeram-pidiovana itambaram-be miisa 20, ary ireo efitrano fianarana.

 

 

 Raha tsy nahazaka mpianatra afa-tsy 1.380 ny efitrano efa simba teo aloha, ankehitriny dia mpianatra 2.500 no hahazo izany izay 20% ny mpianatra 12.000. Noho ny fampitaovana anefa, dia mbola tsy nozaraina ny trano ho an’ireo tokony hahazo izany araka ny fepetra napetraky ny oniversite, ka nahatonga azy ireo niangavy fanampiana tamin’ny filoham-pirenena amin’ny kidoro 1.200 sy seza – latabatra 2.400 avy. Ho fihatrehana ny fomba fampianarana « LMD » dia tafapetraka ihany koa izao ny fitaovana hahazona mampiasa ny teknolojia avo lenta amin’ny fifandraisan-davitra sy tranonkala fiaraha-miasa tamin’ny Telma ; ka « wifi » 26 no napetraka ka 04 ao amin’ny trano famakiam-boky sy ny 08 ao amin’ny « batiment R+3 » ary miisa 14 amin’ny efitrano fianarana sy ireo sampam-pianarana. « Toerana fianarana, fikarohana, fanovozam-panahy, famolavola olom-pirenena tena tia tanindrazana izany oniversite izany, ka tokony hiainga avy eto aminareo ny hisehoan’ny demokrasia sy filaminana ary fitonian’ny firenena izany, mba hisain’ny tena fampandrosoana marina eto », hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina ; nohamafisiny hatrany izany fa « mbola marefo ny demokrasia malagasy, mbola marefo manaraka izany koa ny zava-misy amin’ny oniversite, koa aza mety ho tratry ny velam-pandrika ka hitrangan’ny korontana indray eto hampihemotra ny fampandrosoana ataontsika izao ».

  

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT