Actualités

ONIVERSITEN’I MAHAJANGA Mila havaozina tanteraka ireo mpitantana


  • Alakamisy 11 Septambra 2014

Na dia efa napetraka aza ny vaomiera manokana izay tokony hampandeha ny raharaha rehetra eo anivon’ny oniversite Mahajanga dia tsy mbola azo lazaina ho milamina ny toe-draharaha ao amin’ny anjerimanontolo, satria dia maro ireo mpitantana sasany no tsy mankasitraka ny fijoroan’io vaomiera io

Maro amin’ireo mpitantana sasany mantsy no voailika sy mahazo fandrahonana ary giazana ny karaman’izy ireo noho izy ireo niara-nitantana tamin’ny filohan’ny oniversite Mahajanga teo aloha izay voafidy tamin’ny fomba mangarahara. Raha ny fantatra dia anisan’ny loharano nipoiran’ny olan’ny oniversite ny resaka halatra tany ka nahagaga ireo mpitantana sasany fa tafiditra ao anatin’io vaomiera io ny olona izay anisan’ny nangalatra tany tao amin’ny oniversite  Ambondrona. Noho izay indrindra dia tokony hisy ny fifidianana  haingana an’ireo mpikambana rehetra misy eo anivon’ny oniversite izay miainga avy amin’ny filoha mpitantana ka hatramin’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra. Miankina amin’ireo mpitantana ireo ihany mantsy no mamaha ny olana misy sy ny mandrafitra ny paikady hampandrosoana ny anjerimanontolo toy ny fametrahana ny fandaharam-pampianarana rehetra, ny filoha izay voafidy dia efa mahalala io fandaharana misy io. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena fomba fiasan’ireo vaomiera  napetraka ireo satria dia efa nisy sahady ny fihaonana mangigiana nataon’izy ireo tamin’ny mpianatra mpitokona. Andrasana indray izay mety ho fiovana amin’ity raharaha ity.     

                                                                                                

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT