Raha mba efa milamindamin-dratsy ny oniversiten’i Mahajanga ary manomboka miverina ny fampianarana eny Ambondrona dia misy andiana mpampianatra mitaky ny hamerenana amin’ny toerany an’i Pr Rabesa Zafera
Antoine ka hamela azy hamarana ny fe-potoam-piasany maha filohan’ny oniversite azy ary koa mitaky ny hisamborana ireo mpianatra namotika fananam-panjakana sy nandroba fananan’olona mialoha ny hiverenan’izy ireo hampianatra eny Ambondrona. Nilaza ireto andiana mpampianatra omban’ny mpandraharaha sasany ireto fa ana miliara ny tentim-bidin’ny fahasimbana. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy fisamborana, ka ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.