Raha ny fe-potoana nomen’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, Atoa Velo Jerome, ireo mpianatra araka ny fanapahan’ny komitim-pitantanan’ny oniversite namoaka ny didiny ny 25 aogositra teo, dia nanomboka ny zoma lasa teo ary hifarana ny zoma ho avy izao ny fe-potoana herinandro nomena ireo mpianatra ny tsy maintsy hialan’izy ireo ny “Campus”.
Manomboka ny sabotsy ho avy io izany dia hiditra an-tsehatra amin’ny fanalana ireo mpianatra minia mandika lalana mipetraka ny oniversite miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana, izay efa mameno ny oniversite efa nanomboka ny zoma teo ihany koa, amin’ny fiarovana ny fananam-panjakana. Mihenjan-droa anefa ny tady eo amin’ny mpianatra sy ny mpitantana ny oniversite ankehitriny, satria araka ny filazan’ireto mpianatra nampiantso mpanao gazety, dia nahazo fampilazana izy ireo fa ny 11 aogoistra teo ny fidiran’ny taom-pianarana 2013 – 2014 ho azy ireo ka efa maro ireo mpianatra tonga niala lavitra sy efa nitondra vatsy hamonjy fianarana. Midika izao fa tsy mankasitraka ny fepetra noraisin’ny komitim-pitantanan’ny oniversite novakian’ny filohan’ny oniversite ireto mpianatra ireto, izay nahitana ny mpitondra tenin’izy ireo Godcellot filohan’ny fikambanana mpianatra teraky ny faritanin’i Toliara (MPIFATO). Nohamafisin’ireto mpianatra fa tsy afaka ny hiala eo anivon’ny Campus izy ireo noho ny olana ara-bola misy eo amin’izy ireo sy ny ray aman-dreniny. Koa nisy ny filanjana sorabaventy nanehoan’izy ireo izany tsy fahafalian’izy ireo izany. Hatahorana izany ny hiverenan’ilay hetsika nahafatesana mpianatra roa taona lasa izay raha izao zava-misy izao no jerena. Nilaza ampahibemaso mantsy ireo mpianatra fa hanao hetsika am-pilaminana mandritra ity herinandro ity sy ny sabotsy fanalana an-keriny azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.