Actualités

Oniversiten’i Barikadimy Hatahorana hafana ny raharaha anio


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2015

Nanomboka nangotraka ny tao Barikadimy ny zoma faran’ny tolakandro sy ny alina teo, taorian’ny fivoriana nataon’ireo mpianatra tao ny tolakandro nentin’izy ireo nandinihina ny tokony hatao amin’ny tsy famahan’ny fanjakana ny olan’ny SECES

 

, ka matahotra ny hisian’ny taona fotsy sy tsy hisian’ny bakalorea ireto mpianatra ireto. Raikitra ny fandoroana kodiarana teo am-bavahadin’ny oniversite, raikitra ihany koa ny horakoraka amin’ny tsy fanekena ny hisian’ny taona fotsy ao Barikadimy, nahavita sorabaventy rahateo nilazana ny fitakiany ireto mpianatra ireto. Tsy nisy moa ny fanakanan-dalana nataon’ireto mpianatra ka nanaja ny fitakiana nataon’izy ireo ny mpitandro ny filaminana teo anivon’ny Emmo-Securité tonga teny an-toerana nanara-maso ny fizotran’ny raharaha. Milaza ny mbola hiverina hanao hetsika ireto mpianatra ireto raha tsy mahita hamaliana ny fitakian’ny SECES ny alatsinainy izao ny fanjakana, ka voalaza amin’izany fa hihamafy ny hetsika ho fitakiany ny zony hianatra. Ny sabotsy sy ny alahady teo dia tomefy mpitandro ny filaminana ny vavahady miditra ny oniversite, hialana amin’ireo izay manararaotra ka hamadika ho sakoroka ity fitakian’ny mpianatra ao Barikadimy ity. Hafanafana izany ny ao Barikadimy amin’ity herinandro ity, ka ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT