Notanterahina omaly alakamisy 3 jolay teny amin’ny oniversiten’Antananarivo ilay hetsika « salon de la recherche au service du secteur économique et de l’emploi » izay nokarakarain’ny vondron’ny mpandraharaha tsy miankina ( FIVPAMA) sy ny birao iraisam-pirenena momba ny asa (BIT).....
Hetsika izay nanomezan-danja manokana ny seha-pikarohana eny anivon’ny oniversite miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Ireo izay nandray fitenenana dia samy nanamarika fa mila omena tosika ny mpikaroka malagasy mba ahafahany mandray anjara amin’ny sehatry ny fandraharahana ka ho fanoitra enti-miady amin’ny tsy fananana asa, ary koa mba hampiroborobo ny toekarena eto Madagasikara. Notsipihan’Atoa Ntsay Christian, solontena mahararitry ny birao iraisampirenena momba ny asa, fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra, indrindra fa ilay fiaraha-miasa eo anivon’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Etsy an-daniny kosa ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ramatoa Rasoazananera Marie Monique dia nanamafy fa tokony hisy ny fifanohanana eo amin’ny mpandraharaha sy ny mpikaroka. Ny minisitera izay sahaniny kosa dia vonona hatrany hanome tanana sy hanamora ny dingana rehetra amin’ny fampiroboroboana ny seha-pikarohana eto Madagasikara. Nahatratra roan-jato mahery ireo tranoheva nandray anjara ka nahitana ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny fandraharahana sy fikarohana isan-karazany avy eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.