Actualités

Oniversiten’Ankatso Akatony hoy ny SECES Antananarivo


  • Zoma 24 Jolay 2015

Mihenjana ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo. Mitaky ny hanakatonana ny oniversitem-panjakana eny Ankatso sy ireo IST (Institut supérieur de technologie)

 

 ary ireo ivotoeram-pikarohana rehetra eto ny SECES sampana Antananarivo, ary manome iray volana ny ministeran’ny fampianarana ambony hilaza ny heviny manoloana ireo fitakian’ny sendika. Dila izay fe-potoana izay, dia hiditra amin’ny dingana ambony kokoa ny hetsik’ity sendika ity.Mety hiitatra hatrany amin’ny mpanala fanadinana Bac koa ny olana satria na vita aza ity fanadinana  ity dia tsy handray ireo mpianatra afaka ny oniversite raha tsy voavaha ny olan’ireo mpampianatra, hoy hatrany ny fanazavan’ny SECES sampana Antananarivo omaly.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT