Actualités

Oniversite Nijanona ny grevy saingy…


  • Alarobia 30 Jolay 2014

Rehefa nifanjinja nandritra ny andro maro ny mpianatra sy ny fanjakana dia nisy fiatoana kely izany omaly

Nisy ny fihaonan’ireo mpianatra tamin’ny mpanao gazety. Tamin’izany no nilazan’izy ireo fa haato aloha ny hetsika ka hiandry ny fanapahan-kevitry ny  fanjakana foibe. Efa nisy mantsy ny fihaonana tamin’ny minisitra mpiahy  Rtoa Razananera Marie Monique. Nilaza ity farany fa tsy afaka manapa-kevitra fa hitondra ny raharaha any amin’ny filohan’ny repoblika. Nanamafy hatrany ireto mpianatra fa raha toa kosa ka tsy misy ny valin-teny mahafa-po avy amin’ny fitondram-panjakana dia hiroso amin’ny dingana mafimafy kokoa izy ireo. Hatreto izany aloha dia tsy milamina tanteraka ny eny Ankatso eny.Ny fanjakana moa dia efa nilaza ombieniombieny fa sarotra tanterahana ny fitakiana hampisondrotra 100% ny vatsim-pianarana. Etsy ankilan’izay manahy ihany koa ny fitondrampanjakana fa raha mena fahafaham-po ny mpanatra dia ho avy hitaky ny tombotsoany indray ny mpampianatra mpkaroa, ny mpiasan’ny oniversite manerana ny nosy dia hikatso daholo indray ny zava-drehetra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT