Actualités

Oniversite Mahajanga Akorontan’ny Fanjakana


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2014

Ny nahatongavany an-tanindrazana, avy nandray anjara tamin’ny fihaonan’i Etazonia sy Afrika, no ela dia ny nanala tamin’ny toerany ny filohan’ny oniversiten’i Mahajanga ny profesora Rabesa Zafera Antoine no nihazakazahan’ny filohan’ny Repoblika faha-4

Fanapahan-kevitra noraisiny nandritra ny filankevitry ny minisitra manokana notarihiny ny sabotsy teo, ankoatra ny fiantsoana ireo depiote hivory tsy ara-potoana indray manomboka anio. Raha noheverina handaminana ity oniversitem-panjakana ity anefa ilay fanapahan-kevitra dia toa vao mainka misavorovoro ny toe-draharaha. Mitsipaka io fanesorana ny filohan’ny oniversite io ny filankevitra siantifikan’ny oniversiten’i Mahajanga. Nanapa-kevitra izy ireo fa hampiato ny fampandehan-draharaha sy ny fampianarana rehetra manomboka anio alatsiniainy. Milaza ny tsy handray anjara amin’ny fampandehanana ny bakalorea teknika ao Mahajanga tokony hanomboka anio koa izy ireo, araka ny filazan’ny profesora Ravolamanana Lisy, mpitondrateny. Manamafy io fanapahan-kevitry ny filankevitra siantifika io koa ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga taorian’ny fivorian’izy ireo omaly. Nanao fanambarana izy ireo fa dia “mitsahatra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny asa fampianarana rehetra, ny fanadinana, ny fanohanana voka-pikarohana, manomboka anio”. “Mitaky tsy misy fepetra ny hamerenana tsy misy hatak’andro ny filoha Rabesa Zafera Antoine” ihany koa izy ireo “mba tsy hisian’ny taona fotsy, ho fanajana ny lalàna mifehy ny oniversite eran’i Madagasikara”, hoy hatrany ilay fanambarana. Marihina fa mandalo krizy efa ho valo volana izao ny oniversiten’i Mahajanga taorian’ny nahafatesana mpianatra iray voatifitry ny Emmo-Reg Boeny nandritra ny sakoroka niseho ny 10 jaonary 2014. Nitaky ny hanesorana ny filohan’ny oniversite ny mpianatra. Naato tamin’ny asany nandritra ny iray volana ny filohan’ny oniversite nanomboka tamin’ny 16 janoary 2014, araky ny tapak’ireo minisitry ny tetezamita sy ny solotenam-panjakana tao Boeny fa tsy nahavaha olana. Naverina tamin’ny toerany izy. Nesorina tanteraka tamin’ny toerany indray izy ankehitriny. Manomboka miakatra ny feo. Hanao ahoana ny tohiny ? Mitaintaina ny ray aman-dreny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT