Actualités

Oniversite Barikadimy. Mitaky onitra ireo mpianatra hesorina amin’ny trano fonenany.


  • Alarobia 03 Septambra 2014

Nilaza ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina fa tsy maintsy miala ao amin’ny trano fonenany ireo mpianatra farafahatarany ny 6 septambra ho avy izao. Manoloana izany dia tsy faly ireo mpianatra ka nisy ny fepetra sy fitakiana nataon’izy ireo

Nilaza ary ireto mpianatra ireto fa tokony homena onitra izy ireo entiny mitady trano fonenana vaovao. Etsy an-kilany,  ny tompon’andraikitra dia nilaza fa mbola sarotra ny hijerena izany fitakiana izany. Voalaza fa anisan’ny tena hanesorana ireto mpianatra ireto ny hanamboarana ny trano fonenana satria dia efa ratsy sy tsy mifanaraka amin’ny fenitra takiana. Etsy an-daniny, mbola mitohy ny fitakian’ireo mpianatra ny hanesorana ny  filohan’ny mpitsara nandritra ny fanadinana tany an-toerana farany teo iny. Marihina fa nahemotra ny fidirana amin’ny  taom-pianarana 2013-2014 raha tokony ho amin’ny  11 septambra izao izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT