Actualités

Oniversite Antananarivo Lasa any an-dafy nitsoaka olana ny Prezida…


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Nandao an’i Madagasikara ny alin’ny sabotsy teo ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Pr Mamy Ravelomanana.

Tampoka ary nanaritra ny maro io fandehanany io satria mbola anatin’ny olana mavaivay ny oniversite tantanany nefa izy lasa namela vato mahamay. Eo ny raharahan’ny Polyteknika Vontovorona, izay niteraka resabe ary nampisafoaka ny manampahefana isan’ambaratonga ny fanapahan-kevitra noraisiny ny 9 martsa 2023 amin’ny maha tompon’andraikitra volohany azy amin’ny fitantanana ny oniversite. Ny tena nampisafoaka ny maro tamin’izany dia ny fanapahan-kevitra noraisiny samirery, ka nanakatonana mandritra ny iray volana ny toeram-pianarana eny Vontovorona sy nandidiany ny mpianatra hiala ny toeram-ponenany avy hatrany, tsy nifampierana tamin’ny Filankevitra siantifika nefa mahakasika ny raharaha pedagojika. Niverina tamin’ny fanapahan-keviny anefa izy nanoloana ireo fanankianana nanao ranolava, ka namoaka filazana ny 10 martsa fa misokatra ho an’ny rehetra indray ny Sekoly ambony polyteknika Vontovorona. Taom-piasana roa izao no itantanan’ny Pr Mamy Ravelomanana ny Oniversiten’Antananarivo izay ho hifarana amin’ny 2024. Saika ireo tompon’andraikitra nesorina tamin’ny asany teo anivon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika no nalainy ho mpiasa-miasa akaiky aminy. Mandeha ny feo fa mikendry ny ho minisitry ny Fampianarana ambony izy.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT