Vokatry ny fitokonan’ny mpampiatra mpikaroka dia maneho ny tsy fahafaliany koa ireo mpiantra tapaka fianarana.Nivoaka ny efitrano fianarana ireo mpianatra avy ao amin’ny sampana Siansa rehefa tsy nisy mpampianatra nety nampianatra ireo avy ao amin’ny Seces na ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka.
Tsy tonga dia nody anefa ireo mpianatra fa nifamorivory teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe ary dia teo no raikitra ny fifandonana tamin’ny mpitandro ny filaminana izay voatery nanapaka ny lalàna teny an-toerana nandritra ny fotoana fohy nandritra ny fifampitorahana vato avy amin’ny mpianatra ary baomba mandatsa-dranomaso kosa avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Ao anatin’ny fotoana mampafampana ny rivotra politika rahateo moa izao fotonan’ny fifidianana izao ka tsy ferana ihany fa mety hisy hanararaotra ny hetsiky ny mpianatra mba hikotrehana korontana handravana ny fifidianana na hanongam-panjakana mihitsy ohatra.
Tsy nisy ny zavatra lehibe simba na olona naratra teny Ankatso omaly . Toeram-pivarotana an’ny orinasa Telma iray no voalaza fa may saingy rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy nandritra ny fifandonana omaly no nahamay io toerana io fa tamin’ny fotoana hafa. Araka ny vaovao voaray dia mbola hiverina eny Ankatso ireo mpitandro ny filaminana anio mba.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.