Actualités

Onitiana Realy “Tsy maintsy mivoaka ny marina momba an’Antsakabary”


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2017

Vita ny 16 aogositra teo ny fanadihadiana ireo polisy 40 nalefa nanao iraka tany Antsakabary ny 20 febroary 2017,

ary efa eo am-pelatanan’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo ny raharaha amin’izao fotoana. Tsy maintsy fantatra ny tena marina momba an’io raharaha io, hoy ny minisitry ny mponina Onitiana Realy raha nitsidika an’Antsakabary izy sy ny ekipany ny zoma lasa teo. Niatomboka tamin’ny fitsaram-bahoaka nitranga ny 18 febroary 2017 tao amin’ny fokontanin’Ambalamanga ka nahafatesana polisy roa ny raharaha Antsakabary. Roa andro taorian’io no tonga tany an-toerana ireo polisy 40 lahy ka teo no raikitra ny savorovoro sy ny korontana. Trano 230 no may kila ary nambaran’ny mponina fa ny mpitandro filaminana no tompon’antoka. Tsy naharesy lahatra ny fanazavan’ny minisitry ny filaminana anatiny tamin’izany fotoana, Atoa Anandra Nobert izay nesorina tamin’ny toerany mihitsy moa avy eo.

Fanampiana

Tsy maintsy tonga eto Antsakabary izahay mijery ny zava-misy sy manampy ny vahoaka, hoy izy tamin’ny lahateniny araka ny baiko avy amin’ny filoham-pirenena. Nitondra fanampiana fa tsy nandeha tanam-polo ny delegasionina ka teo ny fotsimbary 7 taonina, ankizy mpianatra 752 no notolorana fitaovam-pianarana. Tsy adinon’ny minisiteran’ny mponina ihany koa ny nanolotra fitaovam-pamokarana ho an’ireo tantsaha, ny milina fanjairana ho an’ny vehivavy. Ankoatr’izay, mponina tsy latsaky ny 800 no nandray anjara tamin’ny asa tanamaro tao Antsakabary ka nahazo 5.000 ariary isan’olona isan’andro ka anisan’ny asa natao ny fandavahana lava-drano izay tena ilain’ny mponina tokoa. Mahavelombolo izao finiavana sy fahazotoan’ny mponina eto Antsakabary izao, hoy ny minisitra Onitiana Realy satria tsara fa vonona ny hiezaka hiarin-doha taorian’ny fahavoazana nihatra tamin’izy ireo  ry zareo ary hanampy ny minisiteran’ny mponina. Tena nananosarotra ny fitaterana ny entana satria faritra mitoka-monina tanteraka Antsakabary izay ao anatin’ny distrikan’i Befandriana Avaratra. Tsy maintsy nandeha moto ny minisitra Onitiana Realy sy ireo mpanara-dia azy ka 6 ora no nanaovana ny lalana 87 eo amin’ny Pont Sofia ka hatrany Antsakabary. Mialoha io dia efa nandeha lalan-dratsy 122 km avy ao Antsohihy ka hatreo amin’ny Pont Sofia.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT