Actualités

ONG Tolontsoa «Miomàna ianareo mpanao politika haka fahefana»


  • Alakamisy 29 Jona 2023

Miomàna ianareo mpanao politika haka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana fa aza miheritreritra haka fahefana ivelan’izany, hoy ny fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny ONG Tolontsoa.

Mangataka amin’ny CENI izahay, hoy tomponandraikitry ny fanentanana, Miadana Fabien Privat, hoe aiza ny taratasim-panjakana milaza fa azo atao ny manemotra lava ity fahafaha-manamarina anarana anaty lisi-pifidianana ity? Ny voalazan’ny lalàna, hoy izy, dia misy fotoana hanoratana anarana, hanotana lisitra, hanamarinana ny anarana sy fanitsiana rehetra. Tsy misy fisoratana anarana intsony izany rehefa mandeha ireo. Mbola miara-mandeha anefa izany rehetra izany izao. Ny ahiahy amin’ireo nanoratra anarana nanomboka ny 10 jona izany hatramin’ny 17 jolay dia ho very zo ireo satria tsy afaka hanao fanamarinana sy fanitsiana intsony. Tokony mbola hisy 20 andro indray mandeha indray izany ho an’ireo. Raha ny mikasika ny sata mifehy ny fitondran-tena ataon’ny FES dia tsara marihina fa efa nisy nataon’ny fiarahamonim-pirenena ny 2018-2019. Be dia be no nanao sonia. Rehefa natao ny tombana dia ireo kandida nandika izany sata izany indrindra no nanao fiodinana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny 70%n’ireo solombavambahoaka lany ankehitriny tsy misy manaraka izany. Aiza ho aiza izany ny tombana nataon’ny FES? Tsy nahomby ny tamin’izany fa ny an-drizareo ve izany mety ho arahana kokoa? Betsaka ny azo ahitsy amin’ny tontolon’ny fifidianana saingy tsy fotoana fanitsiana intsony izao fa fotoana hanomanana fandatsaham-bato. Aorian’ny fifidianana no fanaovana fanitsiana fa tsy hoe fanahy iniana akaiky fifidianana vao apoitra ilay olana satria iaraha-mahalala fa misy mpanao politika tsy afaka ahazo fahefana raha tsy ivelan’ny fifidianana, hoy hatrany ity fiarahamonim-pirenena iray ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT