Nankalazaina tetsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina ny alahady teo ny faha 4 taonan’ny
sampan-draharaha tsy miankina na ONG miady amin’ny herisetra ara-tsaina, Omena. Nampahafantarina ireo nandalo nitsidika izany hetsika izany koa, mazava ho azy, ny hoe “inona moa ity atao hoe herisetra ara-tsaina ity”. Fikambanana eo amin’ny sehatra iraisampirenena miady amin’izany ny Omena, hoy ny fanazavan’i Ando Razakantoanina, tomponandraikitra voalohan’ny Omena eto Madagasikara. Miseho amin’ny fihetsika na teny mandratra atao amin’ny olona iray ny herisetra ara-tsaina, hoy izy. Isany ny fampiakara-peo, fitabatabana, fandatsana, fanalam-baraka olona iray. 80%n’ny zaza malagasy no hiharan’izany, hoy ny tatitry ny UNICEF. Miteraka voka-dratsy eo amin’ny fahasalaman’ny saina izany satria rehefa iharany amin’ny fomba miverimberina ny olona iray dia lasa tsy tia ny tenany, tsy matoky ny tenany ary manana fahasahiranana mivelatra amin’ny hafa na hanao zavatra tiany sy ilainy. Ireo zaza hiharan’ny herisetra dia ho lasa zatovo sy lehibe. Hamela takaitra ho azy ireo, noho izany, ny herisetra ara-tsaina nihatra taminy. Miara-miasa amina mpiara-miombon’antoka hafa izahay mba hampianatra ireo mpiasa ny fomba fandrindrana fihetseham-po sy fomba fiasa mirindra. Ao anatin’ny tetikasa koa ny hanatontosana karazana horonantsary sy asa soratra hampazava ny olona mikasika ny hoe ohatran’ny ahoana ny fisehon’izany herisetra ara-tsaina izay sy ny voka-dratsiny Mifandray amin’ny herisetra ara-tsaina ny herisetra ara-batana sy ara-nofo ary izay no antony hoe mila hampianarina handrindra fihetseham-po ny olompirenena, hoy hatrany ny Omena!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.