Fikambanana iray miady amin'ny
fahantrana sy miaro ny zon'olombelona ny ONG ODIMA na ny Organisation pour le développement intellectuel de Madagascar, tarihin-dRtoa Bonnie Shariff. Ankoatra ny fampahaleovana tena ny vehivavy amin'ny alalan'ny fanomezana fiofanana azy ireo dia manohana sy mampiakatra toe-tsain'ny mpiofana ho amin'ny ambonimbony ihany koa ny fikambanana toy ny hoe : rehefa mitaiza dia afaka mitady vola foana amin'ny alalan'ny vente en ligne tsy voatery hiandry ny lehilahy mba hanatsara ny fidiram-bola miditra ao an-tokantrano.Vehivavy miisa 15 no miatrika fiofanana mandritra ny 3 andro etsy amindry masera ao amin'ny Fokontan'i Benasandratra, kaominîna Fenoarivo, distrikan'Atsimondrano nanomboka omaly Alarobia 18 Febroary. Mampiofana azy ireo amin'izany Atoa Heriniaina Tahianjanahary ka ho an'ireo mivelona amin'ny asa tanana nefa mbola tsy mañana pejy facebook dia nanokafana botika en ligne mihitsy.mba hahafahany mivarotra sy mifandray mivantana amin'ny mpanjifa. Ankoatra azy 15 mirahavavy Ireto moa dia vehivavy miisa 15 ihany koa no hahazo fiofanana tahaka izao any Toamasîna raha araka ny fanazavan-dRtoa Bonnie Shariff. Tanjon'izy ireo ny hahatonga ny vehivavy ho fanalahidy hampandrosoana ny Firenena ka mba ho mpandraharaha ho afaka mifanampy sy mifanohana fa tsy sanatria ho mpifamingana.
Pati
Légende : Ny Filohan'ny ONG ODIMA Rtoa Bonnie Shariff, hotronin'ny mpanofana Heriniaina Tahianjanahary !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.