ONG CONGRETS

Manohitra ny fanerena olona sembana mba hangataka


  • Alarobia 06 Aogositra 2025

Marobe ireo karazana tranga mampalahelo hiainan'ireo olona manana

fahasembanana eto amintsika raha araka ny fanazavan'Andriamanantenasoa Volahery, Filohan'ny ONG Congrets, fikambanana misehatra amin'ny fiarovana ny zon'olombelona. Ho an'ny vehivavy sy ny zazavavy kely dia nambarany fa tena mizaka ny tsy eran'ny ainy izy ireny. Hiharan'ireo karazana herisetra ireo efa manan-tokantrano. Hahiliky ny Ray aman-dReniny sy ny fiaraha-monina kosa ireo mbola mpitovo ary misy tsy alefa mianatra intsony ankoatra ireo haolan'ny sasany na hiarahany dia rehefa bevohoka dia ilaozany....Farany hoy hatrany ity Filohan'ny ONG Congrets dia ny fanerena ireo karazan'olona ireny mba hangataka hahafahan'ny fianakaviana mivelona amin'ny vola azony. Tena tsy azo ekena ny fitrandrahana olona tahaka izany ho an'ity ONG iray ity, antony hanaovan'izy ireo fanentanana tsy miato eny anivon'ny fiaraha-monina ka hahatonga ireto farany ho sahy hitoroka. Tamin'ny taona 2022 no niorina ny fikambanana.Olona mihoatra ny 150 isa hatreto no efa nahazo tombontsoa tamin'ny fikambanana tao anatin'ny distrikan'Atsimondrano, Toliara ary Mananjary. Amin'ny alalan'ny kisary hatao eny amin'ny rindrina ho fampahatsiahivana ny mpiara-belona ny amin'ny tokony hanajana ny zon'ny olona manana fahasembanana moa no hanaovan'izy ireo izany fanentanana izany.
Pati
Légende : Andriamanantenasoa Volahery, Filohan'ny ONG Congrets ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT