OMNIS

Tsy hanala ny fahazoan-dalan’ny Madagascar Oil


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Tsy hanala ny fahazoan-dalan’ny orinasa Madagascar Oil izay efa nahazo licence amin’ny fitrandrahana ny menaka

mavesatra ao Tsimiroro ny OMNIS na ny Ofisy nasionaly misahana ny harenan-kibon’ny tany sy ny indostria stratejika, notarihin’ny tompon’andraikitra voalohany ao aminy Rtoa Stephanie Delmotte. Ny mba hahazoan’ny Malagasy tombony amin’izany no tanjona hoy izy. Mahita ihany koa ny rehetra fa anisan’ny vahaolana ho enti-miady amin’ny delestazy lavareny misy eto amintsika ny fahafahan’ity orinasa iray ity manao izany. Nanomboka tamin’ny taona 2015 ka hatramin’ny taona 2017 mantsy dia tokony hamokatra menaka mavesatra 6000 barila isan’andro ity orinasa iray ity. Niakatra ho 10.000 barika isan’andro izany tamin’ny taona 2017 ka hatramin’ny taona 2019 raha 3500 barika isan’andro eo ho eo kosa no filan’ny orinasa JIRAMA. Nisy araka izany ny fandrafetan’ny OMIS ny drafitra stratejikany ny faran’ny herinandro teo ka nanambaran’izy ireo ny paikady h nentiny nanomboka ny taona 2023 lasa teo ka hatramin’ny taona 2027 ho avy io. Raha tsiahivina kely dia miompana amina zavatra efatra loha no tanjon’izy ireo dia ny hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany eto amintsika ka hahazoan’ny Malagasy tombony manomboka any amin’ireo mpitrandraka ka hatrany amin’ireo toerana hivoahan’ny harena an-kibon’ny tany. Ny hanatsarana hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra, ny mba hisian’ny fidiram-bola milamina sy mirindra amin’io sehatra io ary farany izay tsy kely akory dia ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny lafiny sosialy sy ekonomika eto amin’ny tany sy ny firenena.
Pati
Legende : Miezaka manatanteraka fihaonana matetika tahaka izao ny OMNIS !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT