Actualités

Omen-danja ny fiahiana ara-tsosialy Nofanin’ny CNaPS ny mpiasan’ny minisiteran’ny vola


  • Talata 07 Novambra 2017

Nomen’ny CNaPS fanamafisam-pahalalana mikasika ny fiahiana ara-tsosialy ireo mpiasa ECD (Emploi de Courte Durée) eo anivon’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola (MFB) sy ny tetibola ao amin’ny faritanin’i Toliara.

Maro amin’ireo mpiasa sy mpanatanteraka ny asany eo anivon’ny fanjakana no tsy mahalala ny zony, antony nahatonga ny MFB niara-niasa amin’ny CNaPS, ka nitety ireo faritany 6 nampiofanana momba ny fiahiana ara-tsosialy. Nisitraka izany ireo mpiasa ECD na « contractuel » sy ny tompon’andraikitra mikarakara ny maha olona manerana ny faritanin’i Toliara, ka nahatratra 83 ireo mpandray anjara avy amin’ny faritra Anôsy, Androy, Atsimo Andrefana ary Menabe. Zava-dehibe amin’ny fanatsarana ny asa ny fahafantaran’ny tsirairay ny zony ka nankasitraka manokana ny minisitera sy ny CNaPS ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana. Tanjona ny tsy hahavery zo ireo mpiasa ECD, ka hahafantarany ireo tombontsoa tokony ho azony amin’ny CNaPS toy ny fanampiana ny fianakaviana, ny fanampiana raha tra-doza na marary vokatry ny asa ary ny fisotron-dronono, hoy ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ny MFB. Aorian’ny fiofanana nandritra ny roa andro dia hisy ny fanaraha-maso atao amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy sy amin’ny fanajana ny zon’ireo mpiasa ECD. Resy lahatra ireo mpiofana fa tena ilaina ny fiofanana satria maro tamin’izy ireo no vao sambany nahafantatra ny zony mikasika ny fiahiana ara-tsosialy. Nisaotra ny minisitera sy ny CNaPS izy ireo ary nampanantena fa hampita sy hizara ny fahalalana amin’ny mpiara-miasa rehetra. Nambaran’Andriamatoa Randrianarijaona Charles Emilson lehiben’ny sampandraharaha ara-tsosialy (Service d’Actions Sanitaires et Sociales) eo anivon’ny CNaPS, fa rehefa misitraka ny zony ny mpiasa dia hazoto mamokatra ary tsy hitebiteby intsony eo am-panatanterahana ny asam-panjakana ataony. Notolorana boky torolalana sy mari-pankasitrahana avokoa ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fiofanana. Tsara ny manamarika fa tsy latsaky ny 1000 ireo mpiasa ECD sy tompon’andraikitra misahana ny maha olona eo anivon’ny MFB manerana ny Nosy no nahazo fiofanana mikasika ny fiahiana ara-tsosialy avy amin’ny CNaPS hatreto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT