Actualités

Omby nomena ny voafonja tany antsiranana Nolazain'ny mpitandron'ny filaminana fa omby halatra


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Mpangalatra omby iray fanta-daza any Antsiranana amin'ny fidirany sy fivoahany ny fonja no mbola nahazo fahafahana vonjimaika nivoaka ny fonjan'Antsiranana indray .

 

 

 

Raha ny angom-baovao natao moa dia ombin'ny filohana andrim-panjakana iray eto amin'ny firenena avy any an-toerana no nangalariny ka nampiditra am-ponja azy tamin'ny taona 2019. Fantatra taty aoriana fa nanolotra omby ho an'ny voafonja tao Antsiranana ity mpangalatra nahazo fahafahana vonjimaika ity ary ary nampandaloviny tao amin'ny fokontany misy an'io fonja io nakana pasipaoro. Rehefa lanin'ireo voafonja anefa ilay omby dia nosamborin'ny mpitandron'ny filaminana ny prezidan'ilay fokontany na dia nampiseho taratasy mazava aza , satria voalaza fa omby halatra ilay natolotra. Ilay nitondra azy tao amin'ny fokontany anefa tsy mbola voasambotra hatramin'izao fa misy olona ambony miaro, araka ny fantatra.

 Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT