Actualités

Omby 23 maty nilatsaham-baratra Tsy azo hohanina fa mampidi-doza…


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Zava-doza no nitranga tao Sakaviro Mahasoa any Manombo Be, Kaominina Ilakaka, Distrikan'Ihosy ny alatsinainy 20 martsa lasa teo.

Omby miisa 23 be izao niampy alika iray no maty nilatsaham-baratra tany an-toerana. Sambany teo amin'ny tantara no nisian'ny tranga tahaka io satria ny fahita sy re dia 1 na 2 na 3 aman'efatra, saingy teto dia niaraka ripaka ireo andian'omby. Tsy voafaritra mazava na sompatra nataon'olona izy ity na loza tahaka ny loza rehetra. Raha ny ara-tsiantifika kosa dia voalaza fa misy hery misintona varatra amin'ny omby, ka tokony hofadiana ny manakaiky azy amin'ny fotoana misy kotroka. Tahaka izany ihany koa ireny hazo na vodihazo lehibe ireny. Raha ny vaovao re avy any an-toerana, voalaza fa tsy maintsy halevina ireo omby 23 fa tsy azo hohanina na amidy, araka ny fomba. "Raha mandika izany dia hiverina ilay varatra, ary hamono olona 23 ao anatin'ny fianakaviana", hoy ny fanamarihana voalaza fa nambaran'ny tompon'ireo omby, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Samy manana ny fombany sy ny finoany ny rehetra ka somary sarotra ny adihevitra eo, ary na ny finoana kristianina aza moa dia misy fiangonana sy mpino ao aminy tsy mihinana biby maty ho azy na tsy nalatsa-dra satria voalaza fa sarobidy sy mariky ny famonjena io.
Nangonin'i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT