OMBIN-TSARETY NATOPAN’NY RANO

Avotra ireo efa-mianaka tao anatiny


  • Talata 20 Febroary 2024

Olona miisa efa-mianaka, niaraka tamin'ny omby 02 sy sarety iray

no fantatra fa lasan'ny rano tao amin'ny Fokontany Ambonirena, kaominina ambanivohitr’Ambatomirahavavy ny Sabotsy 17 Febroary lasa teo tokony ho tamin'ny 04 ora hariva. Nentin'ny riaka tany amin'ny 03 km miala ny lalana izy ireo vokatry ny fiakaran’ ny rano nateraky ny rotsak’orana tsy niato ka nahatondraka ny renirano sy ny tanimbary. Nitsingevana vokatr’izany ilay sarety ka natopan'ny rano teny amin'ny sisiny, antony nahavotra soa aman-tsara azy efa-mianaka. Ny angadin'omby 2 kosa no tsy mbola hita hatramin'izao ka mbola hifampitadiavana hoy ny vaovao. An-dalana hody moa izy 4 mianaka ireto no izao tra-doza izao. Tsy nisy naninona kosa ireo omby miisa 2 raha nisy fahasimbany kely ilay sarety.
Pati
Legende : Mba tsy naninona tahaka izao ilay omby sy sarety niaraka taminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT