Actualités

Olona tsy manana kopia Matahotra miditra birao sy miteraka amin’ny Renin-jaza ny ankamaroany


  • Alarobia 05 Jolay 2023

Mbola betsaka ireo olona tsy manana kopia mari-pahaterahana amin’izao, indrindra fa ireo ankizy latsaky ny 18 taona.

Ankoatra ny eto an-drenivohitra dia maro amin’ireo kaominina manodidina no mbola manana olana amin’izany toy ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy dia mpifindra monina avy any ambanivohitra sy olona matahotra miditra birao ny ankamaroan’izy ireny hany ka lasa olon’olom-poana sy tsy afaka misitraka ny zo ny ankamaroan’ireo ankizy madinika. Mba ho fitsinjovana azy ireny indrindra dia ankizy sy olon-dehibe miisa 160 no omen’ny kaominina kopia amin’ny tapaky ny volana Jolay ho avy izao. Efa nanomboka tamin’ny volana Martsa ny fanangonana ny anaran’izy ireny teny anivon’ny Fokontany sy ny fikarakarana nataon’ny fitsarana ka anisan’ireny ny fizaham-pahasalamana nataon’ny dokotera. Tsy handoavam-bola moa izany fa maimaim-poana. Tanjona raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna ny mba hahafahana manampy ireo kilonga madinika hisitraka ny zony indrindra fa ny fahafahany miditra an-tsekoly raha ny mba hahazoany karapanondro sy hahafahany manao ireo adidy tokony hatao kosa ho an’ireo efa feno taona.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanànan’Alasora Randriantsoa Jimmy, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT