Actualités

Olona nolazaina fa maty tao Ambatolampy Tsaho niniana naely, tonga hatramin’ny fianakaviana avy lavitra


  • Talata 28 Martsa 2023

Nampalahelo ny zava-nitranga tao an-tampon-tanan’Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo.

Raim-pianakaviana iray no voalaza fa namoy ny ainy rehefa narary nandritra ny fotoana maromaro tao an-tokantranony. Nisy olona niantso an-telefaonina ny fianakaviany araka izany mba ho avy hanotrona ny fandevenana azy. Nikoropaka toy ny mahazatra ny rehetra vokatr’izany ka tao ireo nanao an-dranomaso namorona ny tsy misy mihitsy niala teto an-drenivohitra… Tao indray ireo efa nivimbina lamban-drazana….Akory anefa ny hatezeran’ireto farany raha vantany raha vao tonga tany an-toerana izy ireo fa olona mbola velona no novantananiny tany. Raha araka ny vaovao azo dia olona tsy tia an’io Raim-pianakaviana io ary nahalala ny laharam-pindain’ireo fianakaviany no niezaka ny nanely io tsaho io fa maty izy. Ny hany nampitony ny fon’ireo fianakaviana dia ilay havany mbola velona soa aman-tsara saingy mbola manaraka fitsaboana kosa. Tsy vao sambany moa no nisy tranga tahaka izao teto amintsika. Misy mihitsy aza ireo mahavita mandefa ny sarin’ilay olona amin’ny tambajotran-tserasera facebook sy ny mombamomba azy mba hanairana ny olom-pantany sy ny fianakaviany. Mety hampiditra am-ponja anefa ny faniriana olona ho faty tahaka izany raha mitory ilay fianakaviana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT