Actualités

Olona mindram-bola eny amin’ny Microfinance Nitombo 15 % tato anatin’ny iray volana


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Nitombo 15 % ireo olona tonga mindram-bola eny amin’ireo ivontoerana mpampindram-bola madinika (microfinance) tato anatin’ny iray volana izao

Noho ny fahaporetana amin’ny fidiran’ny mpianatra avokoa no mahatonga izany ankoatra ny fakana vola entina hanatsarana ny asa fivelomana.  Misy mahatratra ana hetsiny maro ho ana ivontoerana iray mpampindram-bola eny Atsimondrano eny  ny vola alain’ny fianakaviana iray entina hampidirana mpianatra  raha araka ny fanadihadiana natao ihany. Manomboka eo amin’ny enim-bolana kosa no fe-potoana farany kely hahafahana mamerina izany miandalana raha mahatratra an-taonany ny an’ny sasany. Nitombo  io salan’isa io raha oharina tamin’ny taon-dasa. Nahitana fisondratany avokoa mantsy ny fitaovam-pianarana rehetra tamin’ity taona ity, antony nanery ireo tsy nanao izany tamin’ny taon-dasa hanjary hindrana tsy fidiny. Tsy mbola hijanona hatreo anefa izany raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray satria dia amin’ny volana oktobra vao tena hiditra avokoa ny mpianatra rehetra. Tsara moa ny manamarika fa misy amin’ireo ivon-toeram-pampindram-bola ireo no tsy manome vola raha tsy mpikambana feno mandatsaka latsak’emboka ao aminy raha misy koa ireo mijery fananana hafa mba antoka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT