OLONA MIKARAKARA PASIPAORO

Efa afaka mandoa ny sarany amin'ny internet na mobile money


  • Zoma 11 Jolay 2025

Efa azo aloha amin'ny internet na mobile money manomboka izao ny

saran'ny fanamboarana pasipaoro eto amintsika. Tanjona ny hanafainganana ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fahazoana pasipaoro araka ny fanazavan’ny Kaomisera RANDRIATSIRAKA Martial, Lehiben’ny Sampandraharaha fikarakaràna ny pasipaoro. Fantatra moa fa mety amin'izant avokoa ny laharana finday rehetra misy eto Madagasikara. Izao fanavaozana izao no natao dia tafiditra ap anatin’ny fametrahana sy fampiasana ny SIGRNF (Système Intégré de Gestion des Recettes Non Fiscales), rindram-baiko iray mikendry ny fitantanana mangarahara sy mahomby, eo ambany fitantanan’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny sampandraharaha misahana ny famoahana pasipaoro. Efa misy ireo mpiasa eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny famoahana pasipaoro manao ny toro lalana ho an’izay mandoa vola amin’ny alalan’ny internet sy ny Mobile money. Na izany aza mbola tsy nofoanana ihany koa ilay fandoavana izany mivantana toy ny teo aloha.
Pati
Légende : Tahaka izao ny filaharana tamin'ny fanamboarana pasipaoro tetsy Anosy teo aloha ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT