OLONA MIANAKA HITA

FATY TENY AMIN'NY RANON'IKOPA


  • Alarobia 04 Febroary 2026

Mbola misy zaza iray tsy hita niaraka taminy

Fantatra omaly Talata 03 Febroary hariva fa mbola misy zazavavy kely vao 4 taona monja tsy hita niaraka tamin'ilay Renim-pianakaviana sy ny zanany kely hita faty manamorona ny ranon'Ikopa teny amin'ny trano filanonana Sky blue andro vitsy lasa izay. Misy hifandraisany amîn'izy mianaka io zaza tsy hita io hoy ny vaovao. Raonjasoa Espérance no anarany. Somary menamena ny volony ary lavakely koa raha menamena ihany koa ny akanjo nanaovàny. 60 sm ny halavany. Miangavy izay olona mety mahita na mahafantatra io zaza io ny tompon'andraikitra mba hiantso ny laharam-pinday 0389424075. Raha tsiahivina moa ny tantaran'izy ireo dia tsy taratasy nahafantarana azy ireo teny aminy. Voatery nentina tao amin'ny CSB II Alasora ny razana noho izany ary alevina anio Alarobia.
Pati
Légende : Izy mianaka hita faty !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT