Olana ara-tsaina no mahatonga ny famonoan-tena hoy ny psikôlôgy iray. Mihevitra mantsy hoy izy ny olona iray mamono tena fa ho afaka tanteraka izy raha vantany vao miala eto an-tany,
ary mitsena avy hatrany hasambarana hafa. Tokony ho tsapan’ny rehetra anefa hoy ity psikôlôgy iray ity fa fahotana ny mamono tena ary tsy maintsy misy sedra ny fiainana fa tsy araka izay hieritreretanao azy foana. Nataon’ity psikôlôgy ity ohatra mihitsy moa ilay hiran’ny mpanakanto iray izay, izay milaza fa tsy natao fanomezana ho anao ity fiainana ity. Tovolahy iray vao 19 taona indray omaly no fantatra namono tena tany amin’ny distrikan’i Vatomandry. Noho ny olana ara-pitiavana no voalaza fa anton’izany. Tratrany nampiaraka tamina tovolahy iray hafa ny olon-tiany ka naleony namono tena. Nanaton-tena tamin’ny hazo tao Tanambao Vatomandry izy ka ilay vatany efa niantona no hitan’ny fokonolona. Tsy nisy azo natao intsony moa nandritra izany. Tsiahivina fa mahatratra 2 isan-kerinandro raha kely ireo olona mamono tena eto Antananarivo renivohitra tonga manatona ny hopitalim-panjakana.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.