OLONA LGBT

Matahotra harian’ny fianakaviany ny ankamaroany


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Matahotra hoarian’ny fianakaviany ny ankamaroan’ireo olona LGBT eto amintsika na ny Lesbiennes,

Gays, Bisexuelles, Transgenres. Tsy vitsy ireo lasa manafina io fironany ara-pananahana io vokatr’izany. Misy amin’ireo mpiara-monina ihany koa no manasokajy azy ireo ho marary saina, raha araka ny fanazavan’ny Filohan’ny ONG Reseau Madagascar Solidarite LGBT( ORMS LGBT) Balou Rasoanaivo. Ankoatra ireo tranga ireo moa dia voalaza ho miaina herisetra sy fanavakavahana ihany koa izy ireo. Anisan’izany ny herisetra ara-tsaina toy ny teny maharary izay hataon’ny namany na ny iraitampo amin’izy ireny. Eo koa ny esoesonteny ho an’ireo sendra misy mahita mifampitantana eny an-dalana na manao fihetsika hafahafa izay marihina fa tena tsy eken’ny fiaraha-monina mihitsy. Raha araka ny loharanom-baovao azo anefa dia mihabetsaka izy ireny no miaina eny anivon’ny fiaraha-monina eny amin’izao.
Pati
Legende : Izy no Balou Rasoanaivo Filohan’ny ONG Reseau Madagascar Solidarite !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT