Actualités

Olona lasibatry ny asan-jiolahy Maro ireo tsy mahazo torimaso tsara intsony, miaina anaty horohoro lava


  • Alatsinainy 08 Septambra 2014

Anisan’ny tranga iray tsy mety adino eo amin’ny fiainana no sady tsy fahazoana filaminan-tsaina ny asan-jiolahy.

Anisan’izany i Andry izay efa lasibatry ny vaky trano tao amin’ny toeram-piasany no mbola voaendaka ihany koa. Raha ny resaka nifanaovany tamin’ny gazety Tia tanindrazana dia efa dimy taona lasa izy izay no niharan’izany. Ny iray teny Ambohimitsimbina misy ny toeram-piasany, teny Isotry ny faharoa. Iray volana monja anefa no elanelam-potoana nitrangan’ireo asan-jiolahy ireo. Tsy naha lehilahy ahy ireo tranga ireo, hoy i Andry. Saika simba hatramin’ny saiko mihitsy satria lasa matahotra foana aho, eny fa  na dia hatramin’izao aza. Vokany, lasa tsy mahita tory intsony aho amin’ny alina raha vao misy feon-javatra kely ren’ny sofiko. Tsy maintsy taitra ihany koa aho rehefa misasaka ny alina mamerina indray mijery ny hidin-trano rehetra sao misy adino. Mikasika ny fandehanana eny Isotry indray dia nilaza i Andry fa lasa tsy sahy mandeha amin’ny andro hariva intsony. Lasa halany ihany koa ny fisian’ireo olona mitondra poketra sy harona mandeha irery, fototry ny fanendahana nahazo azy. Azo ambara, araka izany, fa tena manimba sain’olona tokoa ny fisian’ny asan-jiolahy. An-taonany maro no hibaben’ny olona iray ny vesatr’izany ao an-dohany no sady mbola mitondra horohoro ho azy ihany koa. Mainka moa fa ireo efa nanana ny maty ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT